<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Zavatra iray ihany FFPM667</title>
<lyrics>[V1]
 Zavatra iray ihany
 No hotadiavina,
 Fa izay atý an-tany
 Dia tsy mampianina
 Ny nofo dia zava-mandalo
 ihany,
 Satria ho lo ao anatin'ny tany ;
 Raha azoko kosa ny zavatra
 iray,
 Ny foko ho sambatra
 mandrakizay.

[V2]
 Tadiavinao tokoa va
 ny zavatra iray ?
 Mba hevero fa ny soa
 Momba ny mandrakizay ;
 Ka aza fatoran'ny eto intsony,
 Katsaho tokoa ny any
 ambony,
 Fa any no misy ny zavatra iray
 Izay hifalianao mandrakizay.

[V3]
 Ry Fanahy ô, ampio
 Ny finoako izao !
 Ry Mpamonjy ô, tahio
 Ny mpangataka Aminao !
 Tariho ny foko hitady tokoa
 Ny any ambony izay
 mahasoa ;
 Jesosy ihany no zavatra iray,
 Izay ho anjarako mandrakizay.</lyrics>
<hymn_number>667</hymn_number>
</song>